FLM FAMONJENA IVATO

« Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. » (Isaia 60:1)

IREO TOLOTRA MISY ATO AMIN’NY FIANGONANA

Fifaliana ho anay ny maneho anareo ny tolotra misy ao amin’ny Fiangonantsika

×

Hetsiky ny fiangonana & Samihafa

Ankoatr’ireto asan’ny Fiangonana ireto , amin’ny maha Fiangonana Misionaly azy, dia azonao atrehina ny fotoana rehetra ao am-piangonana ka anasana anao izany…

FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Ankoatry ny Alahady maraina izay misy fidirana indroa, dia misy koa ireo fotoana samihafa tanterahina ato amin’ny Fiangonana

FAMPIANARANA SORATRA MASINA

Marobe ireo fampianarana Soratra Masina zaraina ao amin’ny Fiangonana ka tehirizina eto. Koa dia asaina ianao hijery ity matetika

ASA SOSIALIN’NY FIANGONANA

Amin’ny maha Fiangonana Azy, dia manana andraikitra sy adidy amin’ny maha Olona feno azy Izy…

TANTARA

Ny Fiangonana Loterana Malagasy Ivato Famonjena

Manana ny tantarany tokoa ny FLM Ivato, amin’ny maha Famonjena, izay anarana nomena azy izay ….

Manana ny Rafitra izay irafetany ny FLM Ivato, koa dia eto no ahitanao izany, miaraka amin’ny tantarany

Fiangonana miorina eto atampotanànan’Ivato, Kaominina Ambonivohitra Ivato ny FLM Ivato Famonjena.

Amin’ny maha FLM Azy, dia ao anatin’ny Synodam-Paritany Antananarivo – Fileovana Ivato…

Ireo Boky ianarantsika

NY MAHA IZY AZY NY FLM FAMONJENA IVATO

NY FINOANY

Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia mino sy manaiky ary mampianatra fa ny Soratra Masina dia ny Boky Kanonika ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, no
Teny nambaran’Andriamanitra. Izany Soratra Masina izany no hany fototra iorenan’ny
finoany sy ny fampianarany ary ny fiainany sy ny asany.

NY FIKENDRENY

Fampielezana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy manerana an’i Madagasikara sy ny tany hafa koa.
Fanabeazana sy fampiorenana ny olona amin’ny finoana sy ny fiainana kristiana, ary ny asa amin’ny alalan’ny fitoriana sy fampianarana marina sy madio ny Tenin’Andriamanitra, ary
ny fampiasana marina araka ny Tenin’Andriamanitra ny Sakramenta.
Fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny teny sy ny fiainana ary ny asa, amin’ny mahampaminany ny Fiangonana eo amin’ny Firenena sy izao tontolo izao..

NY ASANY

Fitoriana ny Filazantsara sy fizarana ny Sakramenta, isam-piangonana, isan-tanana ary amin’ny toerana rehetra.
Fanorenana Fiangonana.
Fampianarana sy  » Fanabeazana ao anivon’ny Fiangonana sy eo amin’ny Firenena.
Fanasoavana ny vahoaka sy ny Firenena, izay mikendry fampandrosoana sy fahasalamana ary fahatsaran’ny fari-piainan’ny olona, tsy anavahana finoana na fihaviana.
Fanarenana ny fiainan’ireo mahantra amin’ny alalan’ny fanampiana mivantana sy ny fanofanana ho amin’ny fampandrosoana.
Fanatsarana ny fitandremam-pananana sy fanamafisana ny Fizakantenan’ny Fiangonana.

FANABEANA KRISTIANA

Fanabeazana ny kristiana rehetra amin’ny fampianarana Soratra Masina sy fanolokoloana ny aim-pinoany amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, fikambanana samihafa, famangiana
tanana sy tokantrano.

FITAIZANA

Fikarakarana ny olona ivelan’ny Fiangonana amin’ny fitoriana aminy ny Filazantsara sy ny fanaovana asa fanasoavana sy fiantrana ary fampandrosoana samihafa.

MIARA-MIENTANA

Fanorenana trano samihafa ho enti-manatanteraka ny asan’ny Fiangonana, fikojakojana azy ireny mba haharitra sy ho mendrika ny voninahitr’Andriamanitra. Manao ezaka mitohy sy maharitra momba ny fitandremam-pananana sy ny Fizakantena.

IREO RAIAMANDRENY ao amin’ny FIANGONANA

Pastora RASOLONJANAHARY Hobinirina Riri Harivelo

Mpitondra FITANDREMANA

pastora1

Pastora RANDRIANARISON Fidel

MPIARA-MIASA

Katekista RAVOLOLONIRINIMARA Felana

Mpiara-miasa

LEBABY Hervé Marcellin Filoha Lefitra Loholona

Rijambolana Mpitantsoratra ara-bola

FANOMEZANTSOA Henri Noel Mpitahirivola

RAJAONASY Solotiana Mpitantsoratra Fandraharahana

Ramatoa RASOLONJANAHARY Volahantanarianja Sarah Filoha FBL
Ramatoa RANDRIANARISON Sylvia Mpiara-miasa

Facebook
OFF AIR
Retour en haut